top of page

FANANTENANA


« Mifalia amin’ny fanantenana, mihareta amin’ny fahoriana, mahareta amin’ny fivavahana » Romana 12 :12
1 - Fahasoavana sy fitahiana no mameno ny androm-piainanao
Novonjeny ianao satria tiana, ka nomeny izao fotoana izao
Mifalia satria tojo folo taona nitoriana
2 - Raha tsaroana sy hotadidiana ny andro lasa izay nodiavinao
Tao ny tsiky, tao ny fahoriana, be no tsy efa izay tokony hatao
Miorena, aza miova, atsangano ny faneva
3 - Mbola maro ny asa miandry anirahan’ny Tompo anao
Mijoroa ka enjano ny sandry, ndeha torio ambarao ny antsonao
Mahareta, mivavaha, amafiso ny finoana
Isan’andininy :
Fanantenana no aoka ifalianao
Matokia, mijoroa, mahereza
Aza kivin’ny lala-mideza
Mitsangana ary dia mandehana
Fa ny Tompo homba anao


Tonony sy Feony : FELANIARY JOHARIHARISOA Andriantsima

​

FJKM JEROSALEMA FITAHIANA

« Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika . »

II Timoty 1 :8a   

  « N’aie donc pas honte du témoignage à rendre à notre Seigneur »

 II Timothée 1 :8 a

TOERANA

Eglise Adventiste

 

2 route nationale 14

95650 Puiseux Pontoise

 

mail: jerosalemafitahiana@gmail.com

  • Gazouillement

© 2019 by FJKM JEROSALEMA FITAHIANA PUISIEUX PONTOISE 95

bottom of page